John 17

1Rehefa avy niteny ireo zavatra ireo Jesosy, dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Izy ka nanao hoe: “Ray ô, tonga ny fotoana, mankalazà ny Zanakao mba hankalazan’ny Zanaka Anao_ 2tahaka ny nanomezanao Azy fahefana ambonin’ny nofo rehetra mba hanomezany fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao Azy.

3Izao no fiainana mandrakizay: dia ny ahafantaran’izy ireo Anao, ilay Andriamanitra tokana sady marina, ary Izy izay nirahinao, dia Jesosy Kristy. 4Nankalaza Anao aho teto an-tany. Efa vitako ny asa izay nomenao Ahy ho ataoko. 5Ankehitriny, ry Ray, hankalazao miaraka amin’ny tenanao Aho amin’ny voninahitra izay nananako niaraka taminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.

6Nampahafantatra ny anaranao tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy amin’izao tontolo izao Aho. Anao ireny, ary nomenao Ahy, ary notandremany ny teninao. 7Ankehitriny fantatr’izy ireo fa ny zavatra rehetra izay nomenao Ahy dia avy aminao, 8satria nomeko azy ireo avokoa ny teny izay nomenao Ahy. Noraisin’izy ireo ireny ary fantany marina tokoa fa avy taminao Aho, ary nino izy ireo fa Ianao no naniraka Ahy.

9Mivavaka ho azy ireo Aho. Tsy mivavaka ho an’izao tontolo izao Aho fa ho an’ireo izay nomenao Ahy, noho izy ireo Anao. 10Ny zavatra rehetra izay Ahy dia Anao, ary izay Anao dia Ahy, ary hankalazaina amin’ireny Aho. 11Tsy amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa ireo olona ireo dia eto amin’izao tontolo izao, ary manatona anareo Aho. Ray Masina o, tazomy amin’ny anaranao izay nomenao Ahy izy ireo mba hitambatra ho iray, tahaka ny maha iray Antsika.

12Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia nihazona azy ireo tamin’ny anaranao, izay nomenao Ahy. Niaro azy ireo Aho, ary tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ny zanaky ny fahaverezana ihany, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. 13Ary ho any aminao Aho, fa milaza ireo zavatra ireo amin’izao tontolo izao Aho mba hahatanteraka ny hafaliako ao amin’izy ireo. 14Efa nomeko azy ireo ny teninao, ary nankahalain’izao tontolo izao izy ireo satria tsy avy amin’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy an’izao tontolo izao.

15Izaho dia tsy mangataka Aminao ny hanalanao azy ireo amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiarovanao azy ireo amin’ilay ratsy. 16Izy ireo dia tsy an’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy an’ izao tontolo izao. 17Hamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Fa ny teninao no fahamarinana.

18Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao, no nanirahako azy ireo ho amin’izao tontolo izao ihany koa. 19Fa nohon’ny fitiavako azy ireo no nanamasinako ny tenako, mba hanamasinana ny tenan’izy ireo amin’ny fahamarinana ihany koa.

20Izaho dia tsy mivavaka ho an’ireo fotsiny, fa ho an’ireo izay hino Ahy amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo koa 21mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao aminao. Mivavaka Aho mba ho ao amintsika ihany koa izy ireo mba hinoan’izao tontolo izao fa naniraka Ahy Ianao.

22Ny voninahitra izay nomenao Ahy, dia nomeko azy ireo, mba ho iray izy ireo, tahaka ny maha iray antsika. 23Izaho ao amin’izy ireo, ary Ianao ato amiko—ka ho tena iray tanteraka tokoa izy ireo, mba ho fantatr’izao tontolo izao fa naniraka Ahy Ianao, ary nitia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.

24Ray ô, ireo izay nomenao Ahy dia tiako hiaraka amiko na aiza na aiza misy Ahy, ary hahita ny voninahitro, ilay voninahitra izay nomenao Ahy satria nitia Ahy Ianao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.

25Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho mahalala Anao; ary izy ireo mahalala fa naniraka Ahy ianao. Nampahafantariko azy ireo ny anaranao, ary mbola ho hampahafantariko izany mba ho ao amin’izy ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho ho ao amin’izy ireo.”

26

Copyright information for PltULB